Taorian’ny fisamborana sy ny fanadihadiana nataon’ireo pôlisy misahana ny ady amin’ ny heloka bevava sakelika faharoa, ireo olona 15 isa, voarohirohy tamin’ny famonoana ilay mpitsara, teo anivon’ny Fitsaràna ambony tao Mahajanga dia natolotra ny Fampanoavana izy ireto. Tsy nisy afa-bela fa dia samy nadoboka am-ponja vonjimaika avokoa miandry ny fotoam-pitsaràna izy ireo, izay nahitàna vehivavy miisa fito. Ireto farany izay nalefa eny Antanimora, raha miandry ny fotoam-pitsaràna azy eny amin’ny Fonjaben’i Tsiafahy kosa ireo lehilahy.
Marihana fa tompon’antoka mivantana tamin’ity vono olona mahatsiravina ity ny mpamilin’Itompokolahy, niaraka tamin’ny olona hafa roa, ary nampian’ny olona maromaro tao anatin’ny fianakaviany ihany. Namono nivantana sy niezaka nanafina sy nandevina ny razana. Voalazan’ity farany kosa fa naniraka azy tamin’izany ny sakazain’ilay mpitsara, izay nampanantena fiara « sprinter » ho azy raha vitany soa aman-tsara ny « mission ». Ny marina rehetra anefa tsy maintsy hipoitra ka izao niafara tamin’ny fisamborana azy ireo ireto tambazotrana mpamono olona ireto.
m.L