Mbola ao anatin’ny resaka ataon’ny olona eny an-dàlana ilay trangam-panafihana mitam-piadiana niseho vao maraina teo akaikin’ny fiangonana fo masin’i Jesoa tao Tanambao V, ny alatsinainy maraina tokony ho tamin’ny 7ora. Fantatra fa maty raha vao tonga teny amin’ny hopitaly ilay raim-pianakaviana 39 taona voatifitra teo amin’ny ambanin’ny tratrany, dia nitrangana fanafihana mitam-piadiana hafa indray koa tao Valpinson Toamasina, ny alatsinainy io, saingy ny fiafaran’ny tolakandro tokony ho tamin’ny 6ora sy sasany hariva kosa. Mpivarotra tao amin’ny tsenan’ny Valpinson hamonjy fodiana ity notafihana andian-jiolahy telo nitondra basy PA sy moto ity. Teo am-pidirana ny lalan-kely miditra ny tranony izy no nosakanan’ireto jiolahy ireo, ka raha nitrerona azy hanome ny vola ireto jiolahy dia niaro ny fananany ity mpivarotra. Raikitra ny fifampisintonana ny paoketra nisy ny vola ka voatery nitifitra ireto jiolahy ary nahavoa ny faritry ny tendan’ tamin’ity mpivarotra ity. Vao nahazo ny vola nilainy ireto jiolahy dia lasa avy hatrany, tsy afaka nisambotra azy ny manodidina satria nambanan’izy ireo basy avokoa izy ireo. Nentin’ny fianakaviany haingana teny amin’ny hopitaly ity mpivarotra ity hotsaboina sy niatrika ny fandidiana haingana. Vita omaly talata ihany ny fandidiana ity mpivarotra ity, saingy hatramin’ny nanoratana ny vaovao dia mbola araha-maso eo anivon’ny efitrano fameloman’ainan’ny hopitaly be ny tenany. Tsy misy ahiana aloha ny ain’ity mpivarotra ity raha ny vaovao azo, nefa ho hita eo ny ho tohiny. Ho an’ilay raim-pianakaviana maty taoriana ny fanafihana ny volany tao Tanambao V kosa, dia mbola tsy nanao fitoriana ny fianakavian’ny maty, saingy raha ny angom-baovao natao dia ho aorian’ny fanitrihana ny razana vao hiroso amin’izany izy ireo, noho fisian’ny efa ahiahian’izy ireo ankehitriny. Ankoatra izany, dia tena nifanesy ny fanafihana mitam-piadiana teto Toamasina tato ho ato izay, satria tao anatin’ny herinandro monja dia fanafihana mitam-piadiana telo izay nahatifirana olona telo ary nahafatesana olona iray no nitranga. Midika izany fa mihantsy ireo mpitandro ny filaminana ireto jiolahy ireto, satria saika tsy lavitra mpitandro avokoa ny tranga nisy rehetra ireo…
Malala Didier