- Publicité SW45 -
jeudi, juillet 4, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversVangaindrano : Bizna rongony, 14 lahy nosamborina

Vangaindrano : Bizna rongony, 14 lahy nosamborina

Niainga tamin’ny fiahiahiana aloha ny raharaha rehefa nahita fitaterana rongony marobe amin’ny gony ny olona. Nisy ny nampandre ny zandary ary dia natao tokoa ny fidinana ifotony. Vao ny gony iray no voasava dia efa nazava ny resaka. Nosamborina avy hatrany ireo 14 lahy nitatitra ireo rongony 56 gony. Nogiazana kosa ireo zava-mahadomelina milanja 749,36 kilao, raha araka ny fanazavan’ny zandary. Tao amin’ny fokontany antsoina hoe Mariany, eo anivon’ny kaominina Ampasimalemy no nisy ity tranga ity. Raha ny fantatra dia tafaporitsaka ny 16 lahy hafa izay nitsoaka raha vao nahita ny zandary. Mazava ho azy fa mbola hitohy ny fikarohana azy ireo ary tokony ho fantatra mandritra ny fanadihadiana ny namany ny mombamomba ireo olona ireo.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici