- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversVangaindrano : Lehilahy 55 taona hita faty tao anaty tanimbary

Vangaindrano : Lehilahy 55 taona hita faty tao anaty tanimbary

Enina kilaometatra mivoaka ny tanànan’i Vangaindrano, amin’ny lalana mankany Ranomena iny, dia lehilahy lehibe iray sahabo  ho 55 taona eo no hita faty tao anaty tanimbary, ny alatsinainy  maraina teo. Tsy nahitana ratra, tsy nisy mangana daroka na diam-bono tamin’ny razana, ka raha ny tombatomban’ny maro, dia vokatry ny hamamoana no nahafaty an’ity rangahy ity. Tsy misy mahafantatra azy ihany koa ny mponina teny amin’ny manodidina, ka nalevin’ny fokonolona avy hatrany ny razana rehefa vita ny fizahana tsy maintsy natao taminy, hoy ny vaovao.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici