- Publicité -
vendredi, juillet 18, 2025
AccueilFaits-DiversVangaindrano : Mpampianatra roa matin’ny lozam-pifamoivoizana

Vangaindrano : Mpampianatra roa matin’ny lozam-pifamoivoizana

Mpampianatra roa no namoy ny ainy nandritra ny lozam-pifamoivoizana nataona « taxibrousse » iray mampitohy an’i Befotaka Atsimo amin’ny distrikan’i Vangaindrano. Tao amin’ny Kaominina Ranomena, 42 km tsy hiditra an’i Vangaindrano no nisehoan’ny loza, ny alahady lasa teo. Mpampianatra avy amin’ny CISCO Befotaka Atsimo voalaza fa andeha hamonjy fiofanana any Vangaindrano ireto namoy ny ainy ireto. Olona 11 hafa koa naratra vokatr’ity loza ity. Efa nandray an-tànana ny fikarakarana ny razana ny tompon’andraikitra eo anivon’ny Ministera’ny Fanabeazam-pirenena sy ny Lehiben’ny Distrikan’i Befotaka Atsimo. Efa nalefa any amin’ny hopitaly Manambaro ao Vangaindrano ihany koa ireo naratra.

Niony H.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici