- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversVangaindrano : Mpandraharahan’ny fonja maty novonoin’ny jiolahy

Vangaindrano : Mpandraharahan’ny fonja maty novonoin’ny jiolahy

Mirongatra ny asa ratsy sy fanafihana mitam-piadiana any amin’ny Distrikan’i Vangaindrano, ka velon-taraina sy mampiaka-peo amin’ny mpitondra fanjakana ny mponina any an-toerana mandry andriran’antsy lava, ary mangataka izy ireo mba hananganana ny Andrimasom-pokonolona sy hanaovan’ny mpitandro filaminana « ronde » amin’ny alina fa mijaly ny vahoaka.

Raim-pianakaviana iray mpandraharahan’ny fonja avy niasa alina handeha hamonjy fodiana no maty novonoin’ny jiolahy, tao Ampasy avaratry ny « lycée ». Raha ny vaovao voaray, dia nandeha moto ity mpandraharahan’ny fonja ity (Aban’i Kevin) no novelesin’ny olon-dratsy tamin’ny vatan-kazo, tokony ho tamin’ny iray naraina tany ho any, ka nidaraboka tamin’ny tany ary tsy tafatsangana intsony, izay voa mafy teo amin’ny lohany ary potika mihitsy ny ilan-tavany havanana sy ny masony. Raha ny fanazavana azo, dia nitoreo niantso vonjy ity raim-pianakaviana ity, nefa noho ny tahotra tsy nisy sahy nivoaka ny trano ny olona teo amin’ny manodidina.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici