- Publicité -
lundi, mars 2, 2026
AccueilFaits-DiversVangaindrano : Nahazo tobim-piantsonana vaovao

Vangaindrano : Nahazo tobim-piantsonana vaovao

Efa ho folo taona teo ho eo izay no nahavitan’ity fotodrafitra iray, « gare routière Zanaray » tao amin’ny kaominina ambonivohitra Vangaindrano ity, saingy tamin’ity vao nosokafana sy hampiasaina. Tonga nitokana izany tamin’ny fomba ofisialy tany an-toerana ny Mpanolotsaina Avon’ny Fanavaozana, ny Kly Rampanarivo Solofoniaina Thierry sy ny Lt-Kly Andriamiharitsoa Gervais, niaraka tamin’ireo tompon’andraiki-panjakana na olomboafidy na olomboatendry, izay notarihin’ny minisitra misahana ny fitaterana. Niantso ny mpiasan’ny ATT, ny mpanjifa, ny mpanera sy ireo rehetra mivezivezy sy mampiasa ny toerana mba hikajy sy hikolokolo ny fotodrafitrasa. Nitodika manokana tamin’ireo mpanera izy mba tsy hanambaka ny mpandeha. « Hajao io mpandeha io fa io mpandeha io no mamelona anareo ». Ankoatra ity tobim-piantsonana ity moa dia nisy ihany koa ny fitokanana ny bazary sy ny toerana famonoana omby, izay tsy mbola nisy hatramin’izay.  Nanolotra fanampiana ho an’ ireo traboina ihany koa izy ireo noho ny fahamaizana trano tany an-toerana tamin’iny herinandro iny. Izay nahitana fitaovana sy kojakoja, PPN fa ihany koa lelavola 2 000 000 ar hoenti-manarina sy miarina.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici