- Publicité -
mercredi, juillet 16, 2025
AccueilFaits-DiversVangaindrano : Nametrahana barazy ny lalam-pirenena, tsy nisy afaka nivoaka sy niditra...

Vangaindrano : Nametrahana barazy ny lalam-pirenena, tsy nisy afaka nivoaka sy niditra ny fiara

Fahirano ny tanànan’i Vangaindrano, omaly. Nametrahan’ireo fokonolona avy ao Lopary, ilay tanàna niavian’ilay tovovavy hita faty tao Vangaindrano mantsy ny lalam-pirenena faha-12, mampitohy an’i Farafangana sy Vangaindrano, omaly. Tsy nisy afaka nivoaka sy niditra ny tanàna ireo fiara. Mbola nafampana ny toe-draharaha omaly tany an-toerana, araka ny fampitam-baovao hatrany. Eny fa na dia efa nisy aza ny fifampiresahana teo amin’ny roa tonta, ireo fokonolona nikasa ny hamoaka ireo olona voarohirohy tamin’ny famonoana ilay tovovavy mpianatra hatao fitsaram-bahoaka, na teo amin’ireo mpitandro filaminana sy tompon’andraikitra any an-toerana. Mbola mihenjan-droa ny tady hatreto, raha ny fantatra, satria dia samy mbola miziriziry amin’ny heviny izy ireo, antony  nahatonga ireo fokonolona hanao ity fanakanan-dalana tamin’ny lalam-pirenena ity. Omaly hariva vao vaky izany barazy izany, raha ny fampitam-baovao hatrany. Tsiahivina fa mbola nikorontana tanaty haizin’ny delestazy ny mponina tany an-toerana, ny alatsinainy hariva teo. Rehefa nangonin’ny tompon’andraikitry ny dina, ireo fokonolona maromaro avy amina kaominina manodidina, handeha hitaky sy hamoaka ireo olona voarohirohy ho namono nahafaty olona, tao amin’ny biraon’ny zandary. Tetsy andanin’izay anefa, araka ny baikon’ny Tompon’andraikitra voalohan’ny zandary, izay manameloka sy tsy manaiky hatramin’ny farany ny fitsaram-bahoaka, na iza io na iza, dia efa nivonona ny amin’izay tsy fileferana hanolotra ireto olona hatao famotorana ireo ireo mpitandro filaminana tany an-toerana. Efa nirefotra ny baomba mandatsa-dranomaso nanaparitahana ireo olona, saingy toa vao mainka nampisondrotra ny hatezeran’izy ireo izany. Nitohy hatramin’ny alina izany, izay nisiana fandoroana kodiarana, tora-bato sy ny fandrobana isan-karazany. Voatery nanao tifi-danitra mihitsy ireo mpiaro ny toby, izay nifandrimbonan’ny zandary sy ny pôlisy tany an-toerana. Nilamindamina izany nony maraina ny andro, rehefa nandeha ny fifampiresahana, kanefa dia io niafara tamin’ny fanakanan-dalana izany io indray. Azo lazaina fa milamindamin-dratsy araka izany ny toe-draharaha ao Vangaindrano ao. Anio ihany koa no fantatra fa mbola hiverina hifampidinika hialana amin’ny romoromo sy ny rà mandriaka ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy any an-toerana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici