Nanomboka teo amin’ny fito ora sy sasany teo no nirefotra voalohany ny basy, nanomboka nirehitra ihany koa ny afo manoloana ny tobin’ny zanday. Talohan’izay dia efa nipoapoaka ny baomba mandatsa-dranomaso, niezaka nanaparitaka ireo andian’olona marobe. Sarovorovo tanteraka ny tany Vangaindrano omaly hariva.
Hatramin’ny ora nanoratanay omaly hariva, araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana, dia mbola ao anatin’ny savorovoro tanteraka i Vangaindrano. Nohodidinin’ny olona an-jatony any ho any mantsy ny biraon’ny zandary. Fokonolona izay mikasa ny hamoaka olona telo, voarohirohy ho namono nahafaty mpianatra, tany an-toerana, hatao fitsaram-bahoaka. Araka ny baiko azon’ireo zandary avy aty amin’ny Fibaikona anefa dia tsy mahazo milefitra sy manaiky izany izy ireo. Zandary maromaro avy ao amin’ny Vondron-tobim-pileovana Atsimo Atsinanana, sy ny vondron-tobim-paritry any an-toerana, miampy miaramila sy pôlisy no miatrana manoloana ny toby. Ankilan’izany anefa, fokonolona sesehana, avy amin’ny fokontany manodidina sy tsy mitsaha-mitombo no miakatra ao an-tampon-tananan’i Vaingandrano. Vonona dia vonona, hamoaka sy hananteraka fitsaram-bahoaka an’ireto olona voatazona ao amin’ny biraon’ny zandary ireto. Izany rehetra izany dia anaty haizin’ny delestazy tanteraka. Araka ny fantatra dia ny marainan’ny alarobia 11 janoary lasa teo, tovovavy 19 taona iray, mpianatra amina sekoly iray ao an-tampon-tananan’i Vangaindrano ao no hita faty. Novonoina tamin’ny fomba feno habibiana tokoa ity tovovavy ity raha ny vaovao hatrany ary mety ho mbola lasibatry ny filan-dratsin’ireo namono ihany koa. Nandeha avy hatrany ny famotorana sy ny fanadihadian’ireo mpitandro filaminana ka izao nitondra tamin’ny fisamborana telolahy izao, ny faran’ny herinandro teo. Nentina notazomina tao amin’ny biraon’ny zandary tao an-toerana ireto olona voarohirohy ireto, ary izao takian’ireo fokonolona hatao fitsaram-bahoaka izao. Samy efa mandray ny andraikiny miezaka mandamina ny toe-draharaha avokoa eto ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy any an-toerana. Iretsy manana ny maty anefa toa vonona hatramin’ny farany, haka ireto olona voalaza fa namono olona ireto. Andrasana izay tohin’ny raharaha.
m.L