- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversVangaindrano : Olona 4 maty nokaikerin’ny alika romotra

Vangaindrano : Olona 4 maty nokaikerin’ny alika romotra

Raha araka ny fampitam-baovao samihafa voaray, dia faritra maro eto amintsika no mbola ahitana alika romotra mirenireny amin’izao. Olona efatra voalaza fa voakaikitry ny alika romotra, ny zoma teo, tao Betoafo Distrikan’i Vangaindrano no maty rehefa tonga tao amin’ny hopitalibe. Tezitra ny fianakavian’ireo mana-manjo ka nikaroka an’ireo alika romotra nirenireny eran’ny tanàna, ka namono avy hatrany ireto biby. Fa mbola tany Vangaindrano izay hatrany, dia zazalahy iray sahabo ho 13 taona eo no maty dobo an-drano raha namonjy ny lakana nentiny izay lasan’ny rano, tao amin’ny reniranon’i Menagnara ny zoma teo, ary hita faty afak’omaly tolakandro.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici