Velom-bolo ireo tantsaha any amin’ny Faritra Atsimo Atsinanana, indrindra ny ao amin’ny Distrikan’i Vangaindrano, fa tafakatra 14 000 Ariary ny kilaon’ny jirofo amin’izao, raha 11 000 Ariary ny iray kilao ny 20 septambra teo (fotoana nisokafan’ny taom-piotazana tamin’ity taona ity). Kaominina telo dia Manambondro, Matanga ary Masianaka no tena ahitana io jirofo io mitobaka be ao Vangaindrano. Tao anatin’ny roa taona nifanesy, dia tsara ny vokatra jirofo, ary ifanotofan’ny Sinoa mpanangom-bokatra sy ifandrombahan’ ireo mpandraharaha avy any Mananara Avaratra, (Faritra Analanjirofo) ny vokatra jirofo ao Vangaindrano sy ny avy any amin’ny Distrikan’i Farafangana amin’izao, ka izay no tena nampiakatra haingana ny vidiny manaraka ny tolotra sy ny tinady. Araka ny fampitam-baovao azo, dia mety mbola hihoatra lavitra ny vidin’ny jirofo amin’izao ny vidiny any amin’ny fiandohan’ny taona 2018, na volana febroary any, satria any vao mifarana ny taom-piotazana. Isan-taona, dia manodidina ny 3 000 taonina eo ny vokatra jirofo nanaovan’ny mpandraharaha fanambarana, nandoavana tamberim-bidy, kanefa mihoatra lavitra an’izay ny tena vokatra amin’iny Faritra iny, raha ny nambaran’ny olom-boafidy iray.
Eric Manitrisa