- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversVao miandoha ny taona vaovao : Manao sesilany ny fanafihana sy vaky trano...

Vao miandoha ny taona vaovao : Manao sesilany ny fanafihana sy vaky trano eto Toamasina

Mitaraina amin’ny firongatry ny asan-jiolahy mitam-piadiana ny vahoaka eto Toamasina amin’izao. Tsy antoandro – tsy andro hariva – tsy andro alina fa manao ny ataony hatrany ireo andian-jiolahy mpanao fanafihana. Raha ny fanazavan’ny mpitandro ny filaminana izao dia ny alakamisy 5 janoary tokony tamin’ny 9ora sy 45min tany ho any, teo amin’ny “rond point” ny “Maison de retraite” Tanamakoa, dia nirefotra ny basy nentin’ireo andian-jiolahy roa nandrava ny vola vahiny sy ny vola Malagasy an-tapitrisany maro, teny amin’ity raim-pianakaviana izany manao ireny fifanakalozana vola vahiny ireny. Raha ny fanazavanna dia vao niala tao an-tranony teo akaikin’ny tetezana hopitaly be ny tenany. Hiazo ny toerana fanakalozana ara-bola fanaony eny bazary be mahazatra azy izy izao voasakan’ny jiolahy nitondra moto scooter izao. Raha ny fanazavan’ny niaram-boina dia noheveriny hanakana azy hanakalo vola ireto roa lahy ireo, hay olona handrava azy satria vavabasy roa no niandry azy nandritra izany mandram-panolorana ny ilay sakosy kely misy ny vola. Taorian’ny fahazoan’ny jiolahy ny vola dia nirifatra nihazo an’i Tanamakoa miditra ny lycée Français iny ireto jiolahy roa. Mbola eo akaikin’ity nitrangana fanafihana ity ihany dia toeram-pisakafohanana iray vao niorina telo volana teo izay, dia efa in-3 izao no nisy namaky. Tamin’ny voalohany dia solosaina sy fitaoana an-dakozia no very, ny faharoa kosa andian-jiolahy nisotrosotro ary avy hatrany dia nanao amboletra tsy nandoa vola vidin’ny zava-pisotro sy sakafo laniny, teo anefa dia nanararaotra nangalatra entana koa izy ireo ny alin’ny 31 desambra nivalona iny. Ny fahatelo tamin’ny famakiana ity trano fisakafohanana ity dia nitranga ny 4 janoary hifoha ny 5 janoary teo, teo anelanelan’ny tamin’ny 2ora maraina hatramin’ny 3ora maraina; efa nihidy ilay toeram-pisahakofahanana tamin’izany satria izy ireo mihidy amin’ny 12ora alina, nefa dia lasan’ireo andian-jiolahy avokoa ireo seza “plastiques” fotsy tao am-pivarotana.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici