- Publicité -
samedi, février 7, 2026
AccueilFaits-DiversLasibatry ny herisetra ara-nofo : « Vao mipika ny jiro dia mitamberina hatrany...

Lasibatry ny herisetra ara-nofo : « Vao mipika ny jiro dia mitamberina hatrany ilay nofy ratsy »

Anisan’ny takaitra tsy hay fafàna ary mazàna lasa miteraka « traumatisme » ho an’ny lasibatra ny herisetra ara-nofo nianjady tamin’izy ireo. Indrindra fa ireo vehivavy, izay niharan’izany fony fahakeliny. Ao ireo hoe « tsy te hiherika lehilahy intsony », « nisafidy ny lalan-drelijiozy », « ny tsy mety fahazoana fahafinaretana intsony », ny hoe « vao mipika ny jiro ka ao anaty maizina dia lasa mitamberina ho azy ilay « ray » mandrahona sy manao ny ataony ihany ». Raha ireo fijoroana vavolombelona maromaro dia saika fony izy ireo tamin’ny mbola kely avokoa no niharan’izany herisetra ara-nofo sy ny fanolanana izany : misy ireo vao dimy taona monja dia efa niharan’ny « attouchements » ary nitohy tamin’ny fanolanana. Ary ny tena mahavalaketraka ao anatin’ireo fitantarana dia olona tsy lavitra no manao izany : ray niteraka, raikely, anadahy iray tampo, « cousin », rahalahan-dray, mpanampy, sns. Izany hoe olona tena akaiky fifandraisana amin’ireo lasibatra.

Mampivarahontsana. Fijoroana vavolombelona maherin’ny 1000 isa, mahakasika ny resaka fanolanana sy herisetra ara-nofo no nambaran’i Nadia Andriamamonjy (mpandrahara no sady bloggueuse), fa voahangona tao amin’ny tambajotra sosialiny. Fijoroana vavolombelona, mampivarahontsana, izay mitantara ny nahazo azy ireo tsirairay avy. Niainga tamin’ny horonantsary nataony tao amin’ny « facebook » ity zavatra ity, izay nitantarany manokana ny nahazo azy. Narahana hashtag #Izahokoa izany, izay nanentanany ny mpanaraka azy, hitantarana raha nisy tranga toy izany ihany koa. Ary dia io nahangonana « temoignage » an’arivony io. Tanjony araka ny voalazany dia ny hampahafantatra miharihary fa misy izany tranga izany ary maro ireo miaina izany. Saingy mazàna dia tsy sahy miteny izy ireo, noho ny tahotra, noho ny fandrahonana, noho ny fahamenarana, sns. Kanefa izany toe-javatra izany dia vao maika mampahazo vahana ireo mpanao ratsy. Fotoana izao, « hitenenana amin’izay, tsy hisy fahamenarana » ary « aoka tsy ho tsinontsinoavana ny nahazo anao (…) mba entina hiarovana sy hitsinjovana ireto taranantsika, ireo zanantsika …».

Marihana, araka ny voalazan’ireo mpahay lalàna fa mbola azo atao tsara ny mametraka fitoriana, raha mbola tao anatin’ny 10 taona no nisian’ny fanolànana na ny herisetra ara-nofo, nianjady tamin’ilay zaza tsy ampy taona (latsaky ny 15 taona).

m.L

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner

S'abonner à notre newsletter

Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici

S'abonner à notre newsletter