# Beroroha. Mpangalatra iray matin’ny fitsaram-bahoaka. Lehilahy iray malaza ratsy amin’ny halatra sy vaky trano tra-tehaka nangalatra biby fiompy tao Marerano any amin’ny distrikan’i Beroroha no matin’ny fitsaram-bahoaka omaly. Rehefa voasambotra ity mpangalatra ity dia niharan’ny hatezeran’ny olona avy hatrany, ary namelan’ny fokonolona tamin’ny alalan’ny daroka sy vono mihitsy raha tsy afaka ny ain-dehibeny. Rah any vaovao voaray avy any an-toerana, dia tsy nisy mpitandro filaminana tonga nijery na nandrara ny fitsaram-bahoaka.
# Antalaha. Roalahy tra-tehaka nangalatra lavanila, matin’ny fitsaram-bahoaka. Nitrangana vono olona nahatsiravina indray tany amin’ny distrikan’ Antalaha, faritra SAVA, afak’omaly naraina tamin’ny fito ora. Roalahy nangalatra lavanila tany Antanandava, ka tra-tehaka tao amin’ny Fokontany sady renivohitry ny Kaominina Ampohibe, 20km eo miala ny renivohitry ny Distrika no niharan’ny fitsaram-bahoaka avy hatrany ary maty tsy tra-drano avokoa. Raha araka ny vaovao voamarina voaray avy any an-toerana, dia olona voafonja ny iray maty tamin’ireto roalahy voalaza fa mpangalatra lavanila namoy ny ainy noho ny hatezeram-bahoaka.
# Mananara Avaratra. Mpangalatra lavanila matin’ny fitsaram-bahoaka. Lehilahy iray voalaza fa nangalatra lavanila manta milanja 6 kg no matin’ny fitsaram-bahoaka, omaly maraina, tao Antetezambe. Taorian’ny fandalovan’ny rivo-doza Enawo farany teo iny, dia nihena hatrany amin’ny 15% ny vokatra lavanila amin’ny tapany Avaratra Atsinanana sy Avaratra Andrefan’ny nosy iny , ka niaka-bidy tao anatin’ny fotoana fohy ny lavanila noho ny fila tsy maharaka intsony. Maro noho izany ny olona halaim-panahy mangalatra, ary izay tratra dia manefa foana, na mamoy ny ainy na maratra mafy miady amin’ny fahafatesana.
Nangonin’i Eric Manitrisa