- Publicité -
dimanche, septembre 28, 2025
AccueilFaits-DiversVaratra : Mety tsy ho voanajanahary ihany koa …

Varatra : Mety tsy ho voanajanahary ihany koa …

varatra-2Azo lazaina fa efa tsy vaovao amin’ny Malagasy intsony ny resaka varatra. Eo imason’ny besinimaro dia zavatra voajanahary ihany izy io, ka toy ny loza voajanahary rehetra ny filatsahany amina toerana iray. Misy tranga sasantsany anefa, dia mahavaka ny sain’ny rehetra mihitsy ary mampivanaka ireo siantifika indraindray. Tsy azo lavina, noho ny herin’ny « fanafody gasy », misy faritra sasantsany eto amintsika no ahitana ireo karazan’olona mahay mifehy ity afo avy any an-danitra ity : mampiady varatra, maniraka hamono, mitady zavatra tsy hita na hamakiana … kitay. Tranga vitsivitsy no handeha hotantaraina.

-Nitranga tao avaravaratr’Antananarivo tao, tany amin’iny faritr’ Anjozorobe iny. Mpirahalahy niady lova, samy matin’ny varatra. Andro maina sy tsy misy tamingan-drahona akory kanefa, nirefotra ny varatra. « Vara-maina » no ahafantaran’ny rehetra azy. Namoy ny ainy ny iray tamin’ireo mpiray tampo. Tezitra ny fianakavian’ny andaniny, ka namaly bontana ihany koa. Matin’ny vara-maina ihany koa ilay hany sisa mpandova.

-Any amin’iny faritra Alaotra iny indray, nambara fa misy karazana olona mahay maniraka io varatra io, hitady zavatra very. Mbola ilay karazana varatra tsy arahana orana ihany no hampiasain’ireo mahay azy, raha ny fantatra. Misy ihany koa anefa ny mahay mampiasa ny varatra atao ho solona famaky ka hamakiana kitay.

-Maromaro amin’ireo faritra eto amintsika kosa no nahenoana fa mahay mampiady varatra. Ary ny tena malaza dia ao amin’ny tapany Atsinanan’ny nosy ao. Miseho amin’ny endrika akoholahy mena ity afo voajanahary ity amin’izany fotoana izany.

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici