- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversVarotra amin’ny Facebook : Efa nahazo sivy tapitrisa ariary ilay mpisoloky

Varotra amin’ny Facebook : Efa nahazo sivy tapitrisa ariary ilay mpisoloky

Raha teto an-drenivohitra no nokarohin’ny pôlisy ity tovolahy mpisoloky malaza amin’ny tambajotra sosialy, dia any amin’iny faritra Menabe iny ny tovolahy no voasambotra. Raha ny fampitam-baovao azo dia efa nahatratra hatrany amin’ny sivy tapitrisa ariary tany ho any ny vola azony tamin’ny alàlan’ny asa ratsy nataony. Amin’izao tokoa moa dia miroborobo tanteraka mihitsy ity resaka fivarotana amin’ny alàlan’ny tambajotra sosialy, indrindra moa fa ny Facebook, na ilay antsoin’ny rehetra hoe « vente en ligne ». Nahazo vahana tanteraka izany nandritra iny fihibohana sy tsy fisokafan’ny lalana teo iny. Indrisy ihany koa anefa fa lasa tokontany filalaovan’ireo tontakely sy mpisoloky isan-karazany ihany koa izany ankehitriny. Tsy vitsy ireo mitairana fa voasoloky, voaendaka tamin’ity fividian-javatra amin’ny alàlan’ny aterineto sy ny tambajotra sosialy ity. Tsy voatery ireo mpividy ihany anefa fa efa maro loatra ihany koa mpivarotra no nitondra faisana tanteraka. Ankoatr’ity tovolahy izay, izay voalazan’ireo mpanao fanadihadiana fa efa raindahiny tanteraka amin’ny fisolokiana anaty Facebook, ary nametrahan’ny olona fitarainana maro, dia mbola maro izy ireo no mihaodihaody ao. Vao ny herinandro nivalona iny no nisy jiolahy iray ihany koa no voasambotr’ireo mpitandro filaminana teto an-drenivohitra, rehefa nofandrihana. Raha ny vaovao nampitaina dia nilaza fa hividy finday avo lenta iray tao anaty Facebook ny tenany, kanjo nony raikitra ny fanaterana ilay entana dia noendahiny ankitsirano ilay mpitondra azy. Tsy tahotra tsy henatra fa tao anaty tambajotra sosialy ihany no nivarotany indray ilay finday halatra. Noraisim-potsiny ranamana taorian’izay. Mila fahamailona tanteraka araka izany, rehefa mividy na mivarotra zavatra ao anatin’ireny tambajotra sosialy ireny satria dia tena tsy kely lalana tokoa ny ratsy.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici