Ny alahady 16 novambra sy ny alatsinainy 17 nomvambra, olona efatra indray no nosamborin’ny polisy misahana ny ady atao amin’ny fianahan’ny zava- mahadomelina. Ny voalohany, mpivady no nahatratrarana rongony 30 kg teny amin’ny fokontany Antohomadinika IVO. Nahazo vaovao ny polisy fa misy olona mpitatitra rongony teny an-toerana. Rehefa nojerena teny, mbola tratra teo an-tokotany ireo rongony ireo. Nosamborina ny vehivavy iray niaraka tamin’ny vadiny sy olona iray hafa. Nilaza izy ireo fa novidiny 700 000 ariary ny iray gony. Ny vaovao voaray no nahafantarana fa efa malaza amin’ny varotra rongony ireto olona ireto. Ny olona fahefatra tratra dia izany Jean de la Croix izany, mpivarotra sy mpifoka rongony. Teny Alarobia io no sarona tao an-tranony niaraka tamina fonosana 19. Omaly no natolotra ny Fampanoavana izy ireo.
nangonin’i r.s.