Omaly vao maraim-be, fiara tsy mataho-dalana iray, marika « Hyundai » no namarana ny làlany teny amina andrin-jiro tetsy Vasaccos. Vokany, olona iray no namoy ny ainy, telo tamin’ireo olona tao anaty fiara kosa no naratra.
Tokony ho tamin’ny efatra ora tany ho any no nitranga ity loza ity, araka ny angom-baovao azo. Saika hitodi-doha ho any 67 ha any ity fiara ity no tra-doza, rehefa nidofotra tamina andrin-jiro. Mafy dia mafy ny dona nahazo azy ary potika tanteraka ny lohan’ilay fiara. Olona efatra no tao anatiny, samy naratra avokoa, saingy iray tamin’izy ireo no voa mafy tokoa. Nentina novonjena avy hatrany tany amin’ny toeram-pitsaboana ireto naratra, saingy tsy tana intsony an’ity rangahy 32 taona, ilay tena voa mafy, nony tonga teny. Tsy fantatra hatreto izay tena nitranga sy ny nahatonga ny loza. Fahadisoan’ny mpamily sa olana ara-teknika ? Raha ny voalaza dia toa hoe, efa nivilambilana ilay fiara kanefa mandeha mafy dia io tra-doza io. Etsy andanin’izay ihany koa anefa, mandeha ny feo fa hoe mamo ilay mpamily ka izay no nitarika ny loza. Tsy misy afa-tsy ny famotorana ataon’ireo pôlisy izay tonga teny an-toerana nijery ifotony ny zava-misy ihany aloha no tena hahafantarana ny zava-nisy marina. Ny hany fantatra, dia notazonina ilay mpamily rehefa avy nahazo fitsaboana. Ny pôlisy misahana ny lozam-pifamoivoizana etsy Tsaralalàna kosa no mandray an-tànana ny raharaha.
m.L