- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversVasakaosy : Ramatoa voahitsaky ny lamasinina, maty voaolana

Vasakaosy : Ramatoa voahitsaky ny lamasinina, maty voaolana

Ramatoa iray no fantatra fa voahitsaky ny lamasinina ny zoma maraina lasa teo. Raha ny fantatra dia mamo ity ramatoa ity ny alin’ny nisehoan’ny loza ary tafatory teo amin’ny lalam-by nandalovan’ity lamasininina ity mihitsy. Tsy naheno ny fiavin’ity lamasinina ilay ramatoa ka voarain’ny kodiaram-by ny tongony ary tapaka. Na dia teo aza ny faharatràna mafy nahazo azy dia fantatra fa mbola afaka niala teo amin’ny toerana nisian’ny loza ihany izy. Tamin’izany indray no nisy bandy maromaro nanatona azy. Tsy namonjy anefa, raha ny loharanom-baovao hatrany, fa vao mainka nanamafy ny fahavoazana. Nampiharan’ireo olon-dratsy voalaza fa avy nifoka rongony, ny filan-dratsiny ihany koa mantsy ity vehivavy naratra ary notaperin’izy ireo tamin’izany ny ainy, raha ny vaovao voaray hatrany. Naterina avy hatrany teny amin’ny tranom-paty ny razana. Efa mandeha kosa ny fanadihadiana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser