Isan’ny faritra mena mbola anjakan’ny asan-dahalo tanteraka ny distriakan’I Mandoto iny, saika isan’andro no andrenesana asan-jiolahy any amin’ireo kaominina manodidina, indrindra fa any amin’ireo toerana miala lavitry ny tombin’ny zandary. Araka ny fanazavan’ny mponina any an-toerana dia isaky ny mazava volana no tena mampirongatra ny fanafihan-dahalo. Manao andiany hatrany ireo jiolahy miaraka amin’ny basy mahery vaika sy lefona ary zava maranitra. Avy hatrany dia manapoaka basy sy mitabataba ry zalahy raha vao tafiditra ny tanàna, dia toy izay hatrany ny fisehon’ny fanafihana. Tsy misy sahy mivoaka moa ny mponina amin’izany fa samy mamitsaka ao ankohonany avokoa. Isan’izany ny tao amin’ny kaominina Vasiana, vao tsy ela akory izay no nitrangana fanafihana tao ka nahaverezana omby maherin’ny 30 ka tsy nisy tafaverina intsony na dia nisy aza ny fanarahan-dia nataon’ny fokonolona. Araka ny fanazavana hatrany, efa fantatr’ireo dahalo mihitsy ny anaran’ny olona tafihiny, izany hoe misy olona eo an-tanana miray tsikombakomba amin’ireo malaso ka manondro izay fiankaviana be omby na mitahiry vola ao an-trano. Fantatra ihany koa fa saika mihazo mianatsimo avokoa ny dian’omby amin’ny halatromby ao amin’ny ilany andrefan’i Vakinankaratra iny.
Andry N.