- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversVassacos Antanimena : Fanendahana, olona telo nosamborin’ny polisy

Vassacos Antanimena : Fanendahana, olona telo nosamborin’ny polisy

Lehilahy iray 24 taona no nosamborin’ny polisy teny Antanimena, niaraka tamina vehivavy roa. Voatondro iry lehilahy, fa anisan’ny mpanendaka eny amin’iny toerana iny miaraka amin’ny namany roalahy. Ireo vehivavy kosa dia mpiray tsikombakomba amin-dry zalahy. Ny polisy avy ao Antaniavo no misahana ity raharaha ity.

Nisy fiarana jeneraly iray nandalo teny Vassacos Antanimena, ny 9 novambra teo. Nisy fitohanana ny fifamoivoizana tamin’izany. Nisy tovolahy iray nandona ny fiarany sady niteny fa misy kiaka ny fiarany. Tonga  dia nivoaka ilay manamboninahitra hijery izany. Hay tetika efa voaomana ilay izy. Vao nivoaka ny fiara ilay tompony, dia nisy roalahy naka ny kitapony. Taratasy maro no to anatiny niaraka tamin’ny vola 200 euros sy vola malagasy. Tsy niandry ela, fa teo no ho eo ihany ilay mody nandona ny fiara, dia voasambotra. Izany Marah izany no anarany. Naterina tany amin’ny biraon’ny polisy Antaniavo avy teo. Ireo naka ny sakaosy kosa afaka nandositra. Rehefa nofotorana ilay Marah, dia nilaza fa tsy fantany ireo roalahy ireo fa ny laharan’ny finday fotsiny no hainy. Nantsoina izy ireo ary nasaina namerina ny kitapo. Tsy ry zalahy nivantana anefa no tonga, fa ny vadin’ilay voasambotra niaraka tamina vehivavy hafa iray. Natao fanadihadiana izy roa vavy ireo tany amin’ny biraon’ny polisy. Manamarika ny vaovao, fa ny taratasy ihany no tafaverina fa ireo vola efa tsy hita intsony.

Natolotra ny fitsarana omaly izy telo ireo.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici