Nisehoana haintrano ny alin’ny alarobia hifoha alakamisy, teny amin’ny Vassacos, tokony ho tamain’ny 11 ora alina. Lehilahy 40 taona natory tao anaty tsena no maty kilan’ny afo tamin’izany. Potika ihany koa ilay toeram-pivarotana. Samy efa sondrian-tory ny manodidina. Taitra tampoka ny olona iray natory tao amin’ny tsena hafa nifanila tamin’ity may raha nahare olona nikiakiaka. Nifoha izy ary nivoaka nijery. Afo efa miredareda no hitany avy tao amin’ilay tsena teo akaikiny. Tsy niandry izy fa nanao izay ho afany ary naka rano natobany teo amin’ilay afo. Testy an-daniny, taitra avokoa ny manodidina ka nifanome tanana tamin’ny famonoana ny afo. Voafehy tsy nitatra tany amin’ireo trano hazo hafa ny fahamaizana. Taorian’izay vao samy niezaka namoaka ilay olona tavela tao, izay voalaza fa tsy afaka nanavotra ny tenany. Efa may kila anefa io farany io. Ny vaovao hatrany no nahalalana fa olona tsy manana trano izy io ary ny tompon’ny tsena no niantra azy manome toerana hatoriana amin’ny alina. Hatramin’izao aloha, tsy fantatra marina ny antony nahatonga ny haintrano. Tombatombana avokoa ny an’ireo izay nahita izany.
Ambodimita. Mbola resaka trano may ihany no niseho teny Ambodimita, omaly tokony ho tany amin’ny 6 ora sy sasany tany. Trano gasy iray no fantatra fa potiky ny afo tanteraka. Ny vaovao no nahafantarana fa tsy nisy olona tao tamin’ny fotoana nirehetany. Tsy fantatra marina araka izany koa ny nahatonga ny loza. Ao ireo nilaza fa ankizy niditra nandrehitra jiro no nandalo dia lasa avy eo. Eo amoron-dalana no misy ilay trano. Avy hatrany dia nifanome tanana ny rehetra tamin’ny famonoana ny afo. Tao koa ireo tonga nanampy tamin’ny famoahana ny entana. Nisy ny tafavoaka, nisy koa anefa ny tavela. Tonga teny an-toerana ny mpamonjy voina avy eo. Voafehy ny afo izay saika nifindra tamin’ireo trano manodidina.
nangonin’i r.s.