Efa maromaro ihany ireo olona lasibatr’ireto mpisoloky eny an-dalambe, amin’ny vovo-bolamena sandoka ireto. Voasambotra ihany izy ireo nony farany teny amin’iny faritra 67ha iny, manakaiky ilay fiantsonan’ny fiara fantatry ny maro amin’ny hoe « Vatobe ». Roalahy izy ireo aloha no izao tra-tehaka izao fa inoana fa hanaraka tsy ho ela ireo namany hafa. Ny fomba fiadian’izy ireo : mody milaza fa mahita zavatra latsaka amin’ny tany ny iray amin’izy ireo, ataony manakaiky mihitsy ny olona hosolokiany. Mody sokafany eo izany ary mazàna dia misy vovo-bolamena sy vola ao anatin’izany. Iny amin’izay avy eo no handrebirebeny ny sain’ilay olona lasibatra. Tamin’io fotoana io dia : « Vehivavy sahabo 32 taona, nandeha tongotra, no narahina lehilahy miisa telo. Teny am-pandehanana dia nisongona azy ny iray tamin’izy ireo. Nony lasa lavidavitra dia mody nahita fonosana kely nisy vola 5000 ariary sy valopy ilay lehilahy nisongona. Hitan’ity vehivavy avy ao aoriany izany ka nahasarika azy ny hahafantatra ny zavatra hitan’ity lehilahy teo alohany. Nosokafan’ity mpisoloky avy hatrany ilay valopy ka taratasy iray sy tavohangy kely nisy vovo-bolamena no tao. Misy taratasy kely nisy soratra moa ao anatin’ilay valopy milaza fa « iny ny volamena 40 grama alefa ho anao anaka ka amidio 100.000 ariary ny grama iray ». Nilaza anefa ity lehilahy nahita ny fonosana fa tsy afaka hitazona io volamena io izy fa hamidiny io. Tamin’izany no nanatona ireo roalahy mpiray tsikombakomba taminy izay efa nanaraka avy tao aoriana ary nilaza ho vonona hividy ny ampahany amin’io volamena io. Manoloana izany dia voafandrika ilay vehivavy ka nilaza fa hividy ampahany ihany koa. Tapaka ary fa homena ilay vehivavy ny 20 grama, ary homena ireto 02 lahy ny 20 grama amin’ny vidiny 300.000 ariary avy. Nomen’ity vehivavy ity 250.000 ariary ilay mpisoloky ary dia lasany ilay vovo-bolamena 20 grama. Fotoana fohy taty aoriana vao nahalala ity vehivavy ity fa voasoloky tamina vovoka volamena hosoka ». Nampandre ny pôlisy avy hatrany moa ity ramatoa ity ary nanomboka teo ny fikarohana ireo olon-dratsy. Ny roalahy tamin’izy ireo ihany no fantatra fa mbola nihaodihaody teny amin’ny manodidina, nitady izay olona afaka jonoana hafa indray. Noraisim-potsiny tamin’io moa ry zalahy, izay mbola nahatratrarana ilay tavoahangy kely misy vovo-bolamena hosoka. Efa mandeha kosa ny fikarohana ireo namany hafa.
m.L