- Publicité -
jeudi, octobre 9, 2025
AccueilFaits-DiversVATOFOTSY ANTSIRABE / Nandamoaka ny fikasan-dratsy,  mpandromba 26  voasambotra

VATOFOTSY ANTSIRABE / Nandamoaka ny fikasan-dratsy,  mpandromba 26  voasambotra

Tsy hilaozan’ny mpananaraotra sy mpandroba ny hetsika andalam-be, indrindra fa eto Antsirabe, niaraha nahita rahateo ny zava  nitranga tamin’ny 25 Septambra lasa teo.

Andian’olona maromaro, vehivavy, tanora,  ankizy no nikasa hamaky ny tranombarotra Super Maki tao Vatofotsy ny harivan’ny Sabotsy lasa teo. Nanararaotra ny  mpanao fihetsiketsehana ireto mpandromba ireto, rehefa tonga teo Vatofotsy dia nipoitra tsikelikely izy ireny nifangaro tao anatin’ny mpanao fihetsiketsehana ny sasany ary handromba no tena anton-diany. Efa nisy ireo niandry fotsiny ny fahatongavan’ny mpanao fihetsiketsehana teo vatofotsy ka vantany vao nahatazan-davitra dia efa niroso namaky ny tranombarotra ny sasany. Nandamoaka anefa izany fa tonga mialoha ny mpitandro filaminana nanaparitaka sy nisambotra ireo mpandroba, nahitana fahapotehana ihany ny tranom-barotra saingy tsy govana izany.

Naharitra hatramin’ny folo alina ny fifandonana, nipopoaka ny baomba mandatsa-dranomaso, ampolony maro no voasambarotra raha ny angom-baovao, zavatra tahaka izao no nahatonga ireo mpitia hira mavezatra niala an-daharana tsy nanaraka ireo mpanao fihetsiketsahana nankeny Vatofotsy.

Andry N

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici