- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversVatofotsy Antsirabe : Trano efatra nianjeran’ny hazo be

Vatofotsy Antsirabe : Trano efatra nianjeran’ny hazo be

Asa aloha na tandrevaka na tsy fitandremana fa dia trano efatra be izao no nianjeran’ny hazo be tao amin’ny toby fiantsoanana vatofotsy. Ramatoa iray no voatery nosokirina  ary voa mafy teo amin’ny faritry ny lamosiny. Hazo lehibe iray tao amin’ny faritry ny toby Ensoa no notapahin’ny miaramila ny talata teo. Tsy nisy nanampo ny mety hianjeran’ity hazo ity ireo olon-tsotra taty ivelan’ny fefy, kinajo tao amin’ny trano fonenana sy fivarotana mihitsy no nidaboka ilay hazo be. Trano fivarotan-kena iray no nisy ilay ramatoa renim-pianakaviana  niaraka tamin’ny zanany vao 5 taona, saingy tsy naninona kosa ity farany. Nosintomina tao izy mianaka satria tena saron’ilay hazo be mihitsy. Ankoatra izay, tsy vitan’ny nianjeran’ilay hazo be ireto trano fonenana ireto fa mbola nisaringotra tamin’ilay hazo ny tariby mitondra herinaratry ny jirama ka namotika fananana maro. Ankaotra io fivarotan-kena io mantsy dia trano telo hafa no potika niaraka tamin’ny fananana.Tonga teny an-toerana ny zandary nanao fizahana sy nijery ny fahavoazana, antenaina hoy ireo niharam-boina fa tsy hitazam-potsiny amin’ny fahasimbana sy fahapotehan’ny fananany ny tompon’andraikitra ao amin’ny toby Ensoa.

Andry N. 

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici