- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversVatomandry : Dokotera maty an-drano

Vatomandry : Dokotera maty an-drano

Mpitsabo iray izay namita iraka tany amin’ny fokontany antsoina hoe Manakambahiny, eo anivon’ny distrikan’i Vatomandry no maty natelin’ny rano.Ny fokonolona no nahita ny faty teo amoron-dranomasina taorian’ny fitadiavana azy. Koa satria mahakasika famoizana aina ny raharaha, nanokatra fanadihadiana avy hatrany ny zandarimaria tao Vatomandry. Miasa amin’ny fikambanana iray ity dokotera namoy aina ity. Mateti-pitranga ny fahafatesan’olona amin’ny ranomasin’i Vatomandry. Ny mpianatra izay manao « voyage d’études » any an-toerana dia saika nisy hatrany ny namoy aina isan-taona. Malaza ny masiaka ranomasina i Vatomandry vokatry ny fahafatesana avy amin’ny filomanosana ao. Mila fepetra araka izany toa ny fandraràna ny filomanosana amin’izay toerana matetika hitrangan’ny loza ary koa ny fametahana ny takelaka manondro izany. Ilaina hatrany ny hevitry ny manam-pahaizana momba ny ranomasina mba handresy lahatra ny olona ara-tsiantifika mitarika ny fahafatesana an-drano. Ho an’ny maro mantsy dia tsy fanarahana fomba hatrany no heverina fa mitarika ny olona ho faty an-drano…

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici