- Publicité -
dimanche, novembre 2, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversVatomandry : Lonilonim-piarahamonina niafara tamin’ny famonoana mahatsiravina

Vatomandry : Lonilonim-piarahamonina niafara tamin’ny famonoana mahatsiravina

Rangahy iray no maty tsy tra-drano, rehefa avy nofiraina lehilahy iray nifamaly taminy, tamin’ny antsy. Tany Mahatsonjo, kaominina Ambalavolo, any amin’ny distrikan’i Vatomandry no nisehoan’ity tranga ity, ny voalohan’ny volana novambra lasa teo. Araka ny fampitam-baovao azo avy tamin’ny zandary, dia lonilony efa nanjaka teo amin’izy roalahy no anton’izao famonoana ho faty izao. Tsy nahatana ny hatezerany intsony ny iray tamin’izy roalahy ka nandray zava-maranitra. Norasarasain’ity farany tamin’ny antsy ny hatok’ilay olona nifamaly taminy. Avy hatrany dia namoy ny ainy izy ireo raha ny fanazavana azo. Nitsoaka avy hatrany tany amin’ny biraon’ny zandary moa ilay mpamono olona, tahotra ny valifaty ataon’ireo havan’ny maty. Ny fiainana tokoa ve no mihasarotra andro aman’alina, hany ka ny lonilony isan-karazany mianjady amin’ny fiarahamonina dia miafara amin’ny famonoana ho faty, sy amin’ny fomba mafeno habibiana foana ? Tamin’io andro io kosa mantsy no namoizana ain’olona efatra be izao, tany amin’iny faritra Miandrivazo iny, rehefa nifanafika sy nifampitifitra ny sasantsany tamin’ireo vatan-dehilahy tamina tanàna roa, noho ny resaka disadisa teo amin’ny roa tonta hatrany.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici