Mahazo vahana mihitsy tato ho ato ity resaka fanolanana zaza tsy ampy taona ity. Saika handrenesana fitarainana momba izany avokoa na ambanivohitra na an-tanandehibe. Lehilahy iray mpamily cyclo-pousse no nosamborin’ny polisy tao amin’ny distrikan’i Vatomandry, faritra Atsinanana, ny 26 Aogositra lasa teo. Voapanga mantsy izy fa nanolana zaza tsy ampy taona. Nosamborina tao Antanambahiny ity lehilahy ity rehefa nisy solotenan’ny mponina tao an-toerana nampandre ny polisyny fisiana lehilahy iray izay nanolana zazavavy kely vao 9 taona monja. Nitranga izany ny 18 aogositra teo. Nandray andraikitra avy hatrany ny polisy ka nikaaroka ilay voalaza fa nahavanona io heloka io. Efa misokatra moa ny fanadihadihana momba ity raharaha ity ka andrasana ny vokany mialoha ny hanolorana ny Fitsarana ny voampanga.
T.M