- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversVatomandry : Mpivarotra iray no matin’ny jiolahy

Vatomandry : Mpivarotra iray no matin’ny jiolahy

Sambany no nisy fanafihan-jiolahy nitranga tao anatin’ny fokontany Antanambao-I-, kaominina ambanivohitra Tsivangaina, ny alahady 2 desambra lasa teo, tokony ho tamin’ny 7 ora hariva.

Mpivarotra iray no lasibatrin’ireo jiolahy miisa dimy nitondra antsilava, vato, basy kilalao, tsipopoka. Nandritra ny fifandona, dia maty ilay mpivarotra ary naratra ny vadiny. Tsy ny tajana fotsiny ireo fokonolona, fa nanampy tosika io fianakaviana io, dia nisy ny fifandonana ary jiolahy iray no maty ary iray no naratra izay mbola afaka nitsaoka miaraka amin’ireo namany telo lahy.   Nomarihina ny vaovao avy an-toerana, fa efa nisy fanafihana jiolahy toy ireny, fotoana vitsy lasa izay, tao Ambodimanga sy Ambalavero atsimon’I Vatomandry. Ao anatin’ny fanadiadiana tanteraka ny zandary arakin’ireo zava-misy.

Anastase

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici