- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversVatomandry : Niady vehivavy, nivoaka avokoa ny tsiambaratelo nafenina

Vatomandry : Niady vehivavy, nivoaka avokoa ny tsiambaratelo nafenina

Tranga tsy fahita nefa isany nampitagorona ny olona nihatrika ity hetsika iray fanao isan-taona eo amoron-dranomasin’i Vatomandry, ny ady vava nivadika nifanainga sandry nifanao teo amin’ireo samy tsongoim-bolo teo amin’ny fiarahamonina, dia olom-boatendry iray sy ity olom-boafidy iray.

Resaka vehivavy. Raha mbola variana nakafy ny hetsika rindran-kira nataon’ireo mpanan-kanto niaka-tsehatra ny mpijery tonga maro, dia nahita fampisehoana hafa kely ihany koa tamin’ireto olom-panjakana mirahalahy ireto. Raha natao ny angom-baovao izay samy nanamafy ny fisiany avokoa ireo nanontaniana rehetra, na olon-tsotra, na olom-panjakana, na mpitandro ny filaminana, fa toy ny tovolahy kely niady vehivavy ireto olom-panjakana ireto. Samy nilaza ny galonam-panjakana entiny avokoa ka samy nilaza fa mahalala ny mpanolon-tsain’ny filoha ny andaniny olom-boatendry, ary nilaza fa mahalala olom-boafidy tsy azo fefena ny ankilany. Raikitra ny farany ny fifampitazonana vozon’ankajo teo amin’ny roa tonta, hany ka saika torana ny farany ilay olom-boatendry noho fahateren’ny fanakendana azy.

Tsiambaratelo. Tsy vitan’ny ady vehivavy nampihitsana ny grady politikan’izy ireo ihany no niseho, fa nivoaka imasom-bahoaka avokoa ny nafenina rehetra tany ambany latabatra tany; isan’izany ny hoe : firaisana tsikombakomba tamin’ny tsy fahavitan’ny lalana Ilaka Est – Antanambao Manampontsy, ny kolikoly avo lenta tamin’ny fanamboarana ny biraon’ny distrika tao Mahanoro, ny vola azo tamin’ny fandripahana ala na “palissandre” tao Antanambao Manampontsy, ny vaovao nivoaka nandritra ny ady nifanaovan’ny roa tonta, ka samy gaga ny mpitazana rehetra. Ankilan’ireo ampamoaka teo imasom-bahoaka sy ny ady nifandritahana, dia tonga hatramin’ny ompan-jatovo mihitsy ihany koa; samy nilaza ny hitory ilay olom-boafidy sy ilay olom-boatendry tamin’ity raharaha ity, andrasana ny ho tohiny.

Ankoatra izay anefa, na samy nanovokovoka nanao izay ho hafany tamin’ny ady nifanaovany vokatry ny fahamamoany avy sy ny ady vehivavy niatombohany ireto olom-boatendry sy olom-boafidy, dia nody niaraka tamin’ity vehivavy niadiana ihany noho ny farany ilay olom-botendry, saingy ilay tovovavy no afa-baraka ihany koa, satria sakaizan’olona ao an-tanana ihany ka nivoaka fokonolona ny fanaony.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici