Noho ny ezaky ny mpitandro filaminana vokatry ny fiaraha-miasa tamin’ny olona tsara sitra-po nanome ny vaovao, roalahy notondra vola sandoka iray alina ariary miisa 1 021 nitentina 10 tapitrisa ariary mahery no saron’ny zandary tao amin’ny fokontany Mandemoka I, kaominina Befotaka, distrikan’i Vatomandry, ny faran’ny volana aprily teo. Omaly no natolotra ny fitsarana izy mirahalahy ireto, raha ny 8 mey teo vao tonga natao fanadihadiana tao amin’ny borigadin’i Vatomandry noho ny haratsian-dalana miainga avy any Befotaka. Raha ny fanazavana azo avy any an-toerana dia telolahy izy ireo no indray nividy vokatra tamin’ ireo vola sandoka ireo ary nanaparitaka izany any amin’ireo tantsaha mpamboly any ambanivohitra izay efa maro no lasibatra. Tamin’ny fotoana nisamborana ireo olon-dratsy, no tafaporitsaka ny iray ka mbola karohina hatramin’izao, hoy ny zandary.
Manitrisa
Vatomandry : Roalahy nahatratrarana vola sandoka 10 tapitrisa ariary mahery
Articles qui pourraient vous intéresser