Azo lazaina fa sambany tamin’iny lalam-pirenena faha-11a, miala eo Antsampanana mihazo an’i Vatomandry iny no nisiana fanakanana taxi-brousse. Ny alakamisy teo tokoa mantsy, tokony ho tamin’ny efatra ora maraina tany, dia taxi-brousse avy ao amin’ny kaoperativa Sonatra, araka ny fampitam-baovao avy eny anivon’ny zandarimariam-pirenena no voatafika, teo amin’ny PK40, teo amin’ny tanana antsoina hoe Vohiboza, kaominina Sahamateza, distrika Vatomandry. Vokany, olona iray no naratra mafy voatifitra, ary vehivavy iray, mpivarotra no lasa takalon’aina. Ankoatra ity fiara voasakana ity mantsy dia fantatra fa nisy mpivarotra teo an-toerana ihany koa notafihan’ireo olon-dratsy ary io nentin’izy ireo an-keriny io ilay mpivarotra. Dimy lahy ireo olon-dratsy, raha ny fampitam-baovao azo hatrany, izay nirongo basim-borona sy zava-maranitra isan-karazany. Nitifitra avy hatrany izy ireo, raha vantany vao hitany ilay taxi-brousse, antony namparatra ilay mpamily. Soa ihany anefa teo fa nalaky niantso ny sasany tamin’ireo mponina ka tonga haingana tany amin’ilay tanana nitrangan’ny fanafihana ny zandary avy ao amin’ny kaompania Vatomandry, ary nanao ny fanenjehana ireo olon-dratsy. Raiki-tahotra tamin’izay ireo olon-dratsy, izay efa nanao tari-dositra nitsoaka raha vao nahare ny fahatongavan’ireo zandary. Hany ka navotsotr’izy ireo teny an-dalana teny ihany ity vehivavy mpivarotra saika nataon’izy ireo takalon’aina ity. Hatreto raha ny tati-baovao hatrany dia mbola mitohy ny savahao ataon’ny eo anivon’ny zandamariam-pirenana any amin’iny faritra iny, hikarohana ireo olon-dratsy. Efa napetraka ihany koa ny paik’ady, entina hitandroana ny filaminana amin’iny lalam-pirenena iny. Marihana tokoa mantsy fa isan’ny lalana be mpindra izy iny, indrindra fa ho an’ireo mpiala sasatra avy aty an-drenivohitra mba te hihazo ny morontsiraka noho izy akaiky.
m.L