- Publicité -
samedi, septembre 13, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversVatomandry : Tontosa ny famindram-pitantanana teo amin’ny polisy

Vatomandry : Tontosa ny famindram-pitantanana teo amin’ny polisy

Vita ny famindram-pitantanana teo amin’ny talem-paritry ny polisy atsinanana tao Vatomandry, teo amin’ny kaomisera vaovao Randriamampianina Anjaranilala Vonjoiantenaina sy ny kaomisera teo alohany Tsaboto Erico, izay natrehan’Atoa Rakotovao Christian tale ny polisy, ary ny polisin’ny Vatomandry. Tsy zoviana amin’ny maro eto Toamasina intsony ity kaomisera vaovao napetraka tao Vatomadry ity, araka ny politikam-panjakana mamindra ireo mpiasam-panjakana ambony amin’ny toerany, satria efa nihazona ny kaomisarian’ny polisy tao Tanambao II misy ny boriborintany faharoa teto Toamasina ny tenany. Vokatry ny toerana teo aloha efa notazoniny dia nahitsy ny talem-paritry ny polisy nanafatra, fa ny tanjona ho an’ny polisim-pirenena ny fametrahana ny filaminam-bahoaka sy ny fiarovana azy amin’ireo mpampijaly azy ary ny fiarovana ny fananany. Mahatsapa mantsy ny maro tahaka ny talem-paritry ny filaminana anatiny, fa mirongatra sy mitady hametraka ny lalanany eto amintsika ireo andian-jiolahy, ka tsy azo ekena izany ary tsy maintsy fongorina hatramin’ny fakany. Izay no nahatonga an’ity talem-paritry ny polisy tamin’ny fametrahana ny kaomisera vaovao tao Vatomandry ity, fa ny tanjona tsy maintsy tratrarina dia ny fametrahana sy famerenana ny filaminana eo anivon’ny fiarahamonina, ka hanolotra azy ireo eo anivon’ny fitsarana mpanasazy izay mpanao ratsy.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici