Nisehoana hain-trano mahatsiravina tany amin’iny faritra Vatomandry iny ny alakamisy alina lasa teo. Trano fianarana 11, niaraka tamin’ny trano fonen’ny mpampianatra sy ny biraon’ny Talen-tsekoly no indray kila hotohoton’ny afo, tao Tsarasambo. Hatreto dia mbola tsy fantatra mazava izay tena antony nahatonga ny loza. Siosion-dresaka, araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana no milaza fa mety ho vokatry ny herinatra no nahatonga izao loza izao. Tsy nisy aina nafoy, na ny naratra tamin’io fotoana nisehoan’ny loza io. Na izany aza anefa, lasa lavenona avokoa ireo antontan-taratasy maro mahakasika ireo ankizy mpianatra, tao amin’ny biraon’ny Talen-tsekoly. Tsy nisy azo noraisina toraka izany ihany koa ireo fitaovam-pampianarana, toy ny latabatra sy ny dabilio ary ireo fitaovana maro samihafa tao amin’ity sekoly ity. Somary nanano sarotra ihany ireo namono ny afo vao nahafehy izany, raha ny vaovao hatrany. Antony izay nahapotika tanteraka ireto trano ireto. Efa tonga tany an-toerana nijery ifotony ny fahavoazana nihatra moa ireo tompon’andraikitra isanisany.
m.L