Fiara mpitatitra maromaro avy ao amin’ny zotra nasionaly no niharan’ny hetraketrak’ireo olon-dratsy tamin’iny lalam-pirenena faha-11a, mampitohy an’Antsampanana (RN2) sy Mahanoro iny, teo amin’ny toerana antsoina hoe Ambohimiadana, eo anelanelan’Ilaka. Samy voataro-bato avokoa mantsy izy ireo ary nisy ireo simba fananana, vaky fitaratra tao anatin’ny fotoana vitsy monja. Soa ihany fa tsy nisy aloha ny sakan-dalana, kanefa na izany aza, matahotra sy miahiahy fatratra ireo mpampiasa lalana sy mpitatitra, fa raha izao no mitohy dia mety ho tonga amin’izany ihany. Tsy fantatra mazava mantsy izay tena tetik’ireo olon-dratsy amin’izao fitorahana fiara mandalo izao. Marihina anefa fa dia ao anaty tandahatra fiara tsara ireto lasibatra ireto fa tsy hoe mandeha irery akory. Dia sanatria tokoa ve hiverina indray izany tranga izany, izay efa nalaza ratsy tamin’iny lalam-pirenena faharoa iny nandritra ny fotoana maharitra ihany. Amin’izao tokoa mantsy dia efa nihalefy ary tsy nisy intsony mihitsy izany tranga fitoraham-bato sy fihetraketrahana, noho ny paik’ady manokana sy ny ezaka nataon’ireo mpitandro filaminana.
m.L