Efa noravahiny volafotsy manodidina azy ary tsy miala eny am-bozonony … Vatosoa somary lavalava, voatefy voajanahary, misy ny sarin’i Madagasikara misongadina, didinin’ny ranomasina.
Hita mazava tsara eo aminy ny sarin’i Madagasikara, mivoitra tsara ihany koa ny tebok’ireo renivohi-paritany roa : Toamasina sy Toliara, ary ny sarin’ny faritra Analamanga. Tsy vitan’izay anefa fa mbola voataratry ny masoandro avy eo ambony io nosintsika io. Mino dia mino ny tompony, Atoa Razafimahenina Franklin, antsoin’ireo olona akaiky azy hoe “Dadou”, fa fambara no nahitany io vato io ary hitondra fahasoavana ho an’ity tanindrazantsika ity. Ny volana jolay tamin’iny taona nivalona iny no nahitan’i Dadou, 41 taona, raim-pianakaviana ary mpitrandraka vato any amin’iny faritra Antsinanan’ny nosy iny, ity vatosoa hafakely ity, tany amin’ny toerana antsoina hoe Ampasimpotsy, tany amin’iny faritr’I Brickaville iny. “Efa tendry ho ahy angamba, hoy izy, ny nahitako azy, satria hatramin’izay nananako azy dia tsy mitsahatra mihatsara hatrany ny zavatra ataoko”. Araka ny filazany taminay dia efa nanatona ireo Raiamandrenim-bato any an-toerana izy, hitady izay tena dikan’ity vato hafakely ity. Ireo no nilaza taminy fa mety ho hafatra avy amin’Andriamanitra izy ity ho an’ny vahoaka eto Madagasikara. Noho izay antony izay no niakarany aty an-drenivohitra. “Tsy hotazoniko ho ahy irery izy io fa omeko izay olona, mendrika ny hitondra ny firenena.” hoy i Dadou, niresaka taminay. Vato kristaly, antsoina hoe “Quartz polycristallin”, ao anatin’ny karazana vato “Agate”, izay no anaran’ity vato misy ny sarin’i Madagasikara ity, araka ny “rapport d’identification”, laharana faha-7913, nomen’ny avy ao amin’ny Institut de gemmologie de Madagascar. “Hafa dia hafa tokoa ity vatosoa ity ary efa betsaka ihany ireo olona mpahafanta-javatra natoniko, fa mitovy avokoa ny teny lazain’izy ireo mahakasika ity vato iambozonako ity. Tokana tsy manam-paharoa izy io, ary izay Malagasy iray izay ihany no hanolorako azy. Tsy omeko ny vahiny izy na dia efa betsaka aza ny mitsiriritra azy ity, satria tsy amidy amin’ny vahiny i Madagasikara”, hoy ny izy, nihazona ilay vatosoa teny an-tanany, sy nametraka azy nanandrify ny fony.
m.L