Tovolahy iray no nosamborin’ny zandary tany amin’iny distrika Vavatenenina iny ny faran’ny herinandro lasa teo, noho ny fitazomana basy vita gasy tsy ara-dalana. Tsy vitan’izay fa mbola nandratra olona tamin’izany fitaovam-piadiana izany ihany koa izy, araka ny fampitam-baovao hatrany. Tao amin’ny tanana iray antsoina hoe Ambatoharanana no nitrangan’ity fitifirana olona ity. Voalaza fa teo am-pikirakiràna ilay basy izy no lasa tampoka ny tifitra ary nahavoa olona. Naratra ity farany. Ilay nitifitra kosa lasa nitsoaka. Nampandrenesina teo ny mpitandro filaminana ka tonga haingana teny an-toerana, nikaroka sy nisambotra ilay nahavanon-doza. Basy poleta vita gasy, niaraka tamin’ny bala « calibre 12 » miisa 36 no sarona teny amin’ity lehilahy ity tamin’ny fanamborana azy.
Fa basy lava iray ihany koa no saron’ny zandary tany amin’iny distrika Ambohimahasoa iny, ny talata lasa teo. Mbola nisy bala roa ihany koa niaraka taminy. Araka ny fanazavàna azo dia ny ben’ny tananan’ny kaominina Camp-Robin niaraka tamin’ireo Dina no tonga nampandre ny fahitàn’izy ireo io basy io, izay voalaza fa basy very ary nampiasaina lehiben’ny dahalo iray antsoina hoe « Lemaro ». Karazana basy « Mas 36 » izy io, raha ny fampitam-baovao azo saingy notapahana natao fohy ny fitazomana azy. Napetraka ao amin’ny fitehirizam-basy ao amin’ny borigadin’Ambohipihaonantsoa moa ity basy tratra ity. Efa mandeha kosa ny fanadihadiana rehetra mahakasika izany.
m.L