Tsy mbola nifarana ny fanarahan-dia nataon’ireo fokonolona an’ireo andian-jiolahy nanafika tany aminy tao Miarimarivo Vavatenina herinandro lasa izay, ka naharatrana mafy olona roa voatifitry ny basy kalaky sy ilay bala “96..” izay efa tsy maninona ankehitriny raha ny angom-baovao, sy nahaverezana vola 200 tapitrisa ariary sy volamena 5 kilao tamina mpindrandraka sy mpividy izany. Raha mbola manara-dia ireo andian-jiolahy mitam-basy kalaky ireto ny fokonolona ampian’ny mpitandro ny filaminana, dia gaga izy ireo nahita ity fatin’olona niafina tao anaty kirihitra ala izay efa simba be, tao amin’ny fokontany Sahatikana Maromitety. Raha ny fahitana azy araka ny fanazavana azo dia voatifitra mifanandrify ny fony ity olona maty ity, ary raha natao ny fanadiadiana dia isan’ireo andian-jiolahy nanafika tao Miarinarivo ny tenany. Tsy nisy kosa anefa ny taratasy milaza ny mikasika azy teny aminy tamin’izao nahitan’ny fokonolona azy ireo. Ankoatra izany dia fantatra izao fa ny andian-jiolahy voalohany matin’ny fitsaram-bahoaka tamin’izao raharaha tao Miarinarivo Vavatenina izao, dia rahalahana ben’ny tanàna teo aloha tao Vavatenina; ary ny efatra tamin’izy ireo ihany no fantatra fa tsy zanaky Vavatenina. Nitombo dimy izany ireo jiolahy maty, ka ny efatra matin’ny fitsaram-bahoaka, ny iray hita faty voatifitra tao anaty ala izao. Mbola tsy hita kosa ilay basy kalaky nampiasa ireo bala “96..” sy ireo vola ary ireo volamena nangalarina. Miisa fito izany mbola karohina mikasika ity raharaha fanafihana tao Miarinarivo Vavateina ity.
Malala Didier