Omaly efa alina no nahafantarana fa tafakatra efatra ny olona namoy ny ainy tany Vavatenina vokatry ny hain-trano goavana niseho tany. Voalazan’ny vaovao fa bevohoka ny iray tamin’izy ireo.
Tokony ho tamin’ny 02 ora tolakandro nitrangana firehetana ny tananan’Ankazomianko ao amin’ny kaominina tampon-tananan’i Vavatenina. Tanàna isan’ny ahitana ireo tranom-barotra maro sy tsena ary ireo trano fandraisam-bahiny ity toerana ity. Saiky ao ihany koa anefa no monina ireo tompon’andraikitra samy hafa sy ireo biraom-panjakana ary ireo orinasa manana sampana any an-toerana.
Raha ny angom-baovao avy any an-toerana dia tao amin’ity tranom-barotra iray mifanila amin’ity trano fandraisam-bahiny iray vita amin’ny vokatra any an-toerana no niatombohan’ny afo. Haingana be anefa ny fitaran’izany noho ny rivotra sy ny entana tao anatin’ilay tranom-barotra izay nisy menaka sy prétrole ary ny fahamainan’ny andro ; hany ka fotoana fohy taorian’izay dia nahatratra an-jatony ny trano may ary an’arivony ny tsy manan-kialofana may kila fananana. Hatramin’ny nanoratana ny vaovao dia renim-pianakaviana iray no namoy ny ainy ; tsy fantatra ihany koa na tafiditra tamin’izao fianakaviana may trano zao koa ny ben’ny tanana sy ireo mpitsabo miasa any an-toerana ary ireo orinasa manana sampana any an-toerana, satria tamin’ny fotoana nanoratana ny vaovao dia mbola tsy maty ny afo ; ny kaominina rahateo tsy manana na fiara iray aza afaka hamonjy voina sy hain-trano. Ny vaovao voaray avy amin’ireo mponina ihany koa dia mpanangom-bokatra avokoa ireo tranom-barotra may kila forehitra ireo, isan’izany ny jirofo izay efa nisokatra ny taom-pivarotana izany amin’ity taona ity ao Analanjirofo, ka isan’ny antony nampanano sarotra ny famonoana ny afo ny fisian’ireo jirofo ireo tamin’ireo tranom-barotra ireo, izay saika metisy sinoa avokoa no tompony ao Vavatenina.
Hatreto ihany koa tsy mbola nisy afaka nilaza ny tena antony nahatonga ny afo, saingy izy efa niredaka vao samy taitra ny tranom-batotra niatombohany sy ireo vahoaka manodidina rehetra. Efa any an-toerana ny lehiben’ny faritra Analanjirofo Ramaroson Jacques nijery akaiky ny raharaha, sy hanokatra fanadihadiana mikasika izao raharaha izao, ka ho hita ny tohin’ity raharaha hain-trano ity.
Malala Didier



