- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversVavatenina- Halatra solika : Olona telo voasambotra ka mpiasan’ny Jirama ny roa

Vavatenina- Halatra solika : Olona telo voasambotra ka mpiasan’ny Jirama ny roa

Efa ela no mitaraina amin’ny biraon’ny jirama Toamasina ireo vahoaka ao Vavatenina, fa isany mahatonga azy ireo miaina anaty fahatapahan-jiro dia noho ny solika ampiasain’ny Jirama ao an-toerana tsy ampy noho ny halatra ataon’ny mpiasa ao aminy ihany. Vokany nanokatra fanaraha-maso izany ny talem-paritry ny Jirama Toamasina ary nampandray andraikitra ny rehetra samy hanara-maso ny zava-misy tsy hisian’ny olona. Ny alahady teo dia nisy vokatra ny fanaraha-maso nataon’ny fokonolona, ka tratran’izy ireo tamin’izany ny mpiambina karamain’ny Jirama niaraka tamin’ny solika 23 litatra. Nandritra ny fanadihadian’ny mpitandro ny filaminana azy no nanoroany ireo namany roa lahy izay mpiasan’ny Jirama ihany, saingy tsy nahatrarana solika intsony izy roa lahy ireto fa efa namarotra izany tamina mpandraharaha iray tao Vavatenina ihany. Nandritra io fanadihadiana natao tany Vavatenina io dia nafahan’izy ireo tsy ao anatin’ny antontan-taratasy nalefa eo anivon’ny fitsarana ilay olona mpividy ny solika halatra ny Jirama, fa ireo telo lahy mpiambina sy mpiasan’ny Jirama ihany no voasaringotra ao anatin’ny halatra. Omaly tolakandro no niakatra fampanoavana sy mpitsara mpanao famotorana ny raharaha, raha mitory azy ireo noho ny « halatra solika sy fanodikodinana fananam-panjakana » ny jirama Toamasina. Na teo aza ny fanelanelanana nataon’olona ireo mpiasan’ny jirama tratra tamina resaka solika ireo, dia tsy nilefitra ny fitsarana ka nampiditra azy telo lahy am-ponja vonji-maika miandry fitsarana.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici