- Publicité -
dimanche, juin 8, 2025
AccueilFaits-DiversVavatenina : Mpandraharaha iray voatifitra teo amin'ny kibony

Vavatenina : Mpandraharaha iray voatifitra teo amin’ny kibony

Ny alahady 1 may nifoha ny alatsinainy 2 may teo dia nitrangana fanafihan-jiolahy nitam-piadiana ny tao amin’ny kaominin’Ambohibe Vavatenina, tokony ho tamin’ny misasak’alina. Tsy nisaron-tava ireto jiolahy niisa enina nanafika nitondra basy PA voalaza fa vita gasy ireto.

Mpivarotra omby. Raha ny fanazavana avy any an-toerana mikasika ity fanafihana mitam-piadiana ity dia mpandraharaha amin’ny resaka varotra omby any an-toerana no niharan’izao fanahifana izao. Vao tonga ireto jiolahy ireo tao an-tanàna dia efa ity mpivarotra omby ity no notadiavin’izy ireo, satria hain’izy ireo tsara fa vao avy nivarotra omby maromaro izy talohan’izao nanafihana azy izao. Avy hatrany dia nopitsohan’izy ireo ny varavarana, izay ilay rangahy sy ramatoa vadiny no tao an-trano.

 Vola Ar.1.000.000.  Vao tafiditra ireto jiolahy niisa enina ireto dia ny fitakiana ny vola vidin’ireo omby namidin’ity rangahy no notakian’izy ireo. Lasan’ireo jiolahy tamin’izany ny volan nitentina Ar.1.000.000 sy fiaravaka an’ilay ramatoa vadiny. Niezaka niaro tena ihany ilay rangahy niaro ny fananany, saingy vokatr’izay dia notifirin’ireto jiolahy izy ka voa teo amin’ny kibony manakaiky ny foitrany. Vao nahazo ireo vola ireto jiolahy dia lasa, ka nanomboka teo no nanavotana ilay rangahy naratra; izay voatery nentina nodidiana teo anivon’ny hopitaliben’i Toamasina mihitsy, izay efa misy fivoarana hatreto ny fahasalamany raha ny vaovao. Raha ny fanazavana avy amin’ny mpitandro ny filaminana avy any Vavatenina, dia nitsoaka nihazo ny lalana mivoaka an’Ambatondrazaka, miainga avy ao Ambohibe Vavatenina, ireto andian-jiolahy enina ireto taoriana ny fanafihana nataony…

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici