- Publicité -
dimanche, septembre 21, 2025
AccueilFaits-DiversVavatenina : Mpianatry ny Epp voaolana

Vavatenina : Mpianatry ny Epp voaolana

Nandritra ny alin’ny fitsenana ny taom-baovao no nisy ilay fanararaotana. Ilay zazavavy dia 11 taona ary ilay olona nosamborina kosa rehefa voarohirohy ho nanararaotra ara-nofo azy dia 69 taona. Nandritra ny tsy naha-tao ny vadiny no nitondràn’ilay rangahy ilay zaza tao an-tranony. Io farany izay tena mbola kely ary mpianatry ny Epp ao an-toerana. Tsy vitan’izany fa efa kamboty reny ilay zazavavy raha araka ny fanampim-baovao azo. Azo heverina koa izany fa tsy teo ny rain’ilay zaza ka tsy afaka niaro azy tamin’io fotoana io. Nifanojo araka izany ilay fotoana tsy nisian’ny mpanara-maso ary dia nohararaotin’ilay rangahibe izany. Andro vitsy taty aoriana anefa dia nivoaka ihany ny nafenina ary tonga teny amin’ny mpitandro ny filaminana ny raharaha. Nosamborin’ny polisy kominaly ilay rangahy ary natolotra ny zandary tao an-toerana. Nosokafana ny fanadihadiana ary isan’ny niompanan’izany ny fizahan’ny mpitsabo ilay zaza. Etsy ankilan’izay kosa dia nalain’ny zandary am-bavany ilay rangahy. Efa natolotra ny fampanoavana ny raharaha. Ny tsikaritra dia saika ireo zaza izay tsy voara-maso no tena hararaotin’ireo mpanolana. Matetika koa anefa dia ireo olona izay atokisan’ny ray aman-drenin’ny zaza no mamoa-tsapona, indrindra rehefa apetraka amin’izy ireo ny zaza. Midika izany rehetra izany fa ny ray aman-dreny dia mila manara-maso tanteraka ny zanaka…

D.R

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici