Tsy mamela mahazo mihitsy ireto fokonolona avy ao Miarinarivo Vavatenina izay manao fanarahan-dia ireo andian-jiolahy nanafika ny tananany ny sabotsy alina teo, ary nahaverezana volabe sy volamena 5 kg ary nahavoatifitra olona roa izay efa misy fiovana ny fahasalamany ankehitriny.
Raha ny angom-baovao avy any an-toerana sy avy amin’ireo fokonolona manao fanarahan-dia ireto andian-jiolahy mitondra basy “calibre 12” ireto, dia nitombo efatra ireo jiolahy tratran’izy ireo ankehitriny ary avy hatrany dia nampiharan’izy ireo ny fitsaram-bahoaka. Tao amin’ny kaominina Betampona distrikan’i Fenerivo Atsinanana no nahatraran’izy ireo ity jiolahy iray faha-4 ity; satria nahare ireto fokonolona manao fanarahan-dia azy ireo ity fa nizara roa ireto andian-jiolahy ireo, ka nisy ny ampahany niditra ny ala mampisaraka an’i Maromitety sy Mahambo, teo kosa ireo nihazo an’ity kaominina Betampona ity ary mihevitra ny hitsoaka hivoaka an’i Fenerivo Atsinanana, voatery nizara roa koa ireto mpanara-dia amin’ny fanenjehana ireo andian-jiolahy mitam-piadiana ireo.
Taorian’ny fahafatesan’ireo jiolahy 4 noho ny fitsaram-bahoaka isak’izay tratra dia valo izany sisa izy ireo miriorio izay tsy fantatra mazava ny isan’izy ireo tamin’izao fizarana roa nataon’izy ireo izao sy izay ekipa mihazona ireo vola sy volamena nangalarina ary ilay basy “calibre 12”.
Malala Didier