Dian’antsy sy diana famaky ary tsindrona lefona niisa 14 be izao no hitan’ny fianakaviany sy ny mpitsabo nizaha ny faty ary ny mpitandro ny filaminana nanao ny fanadihadiana, tamin’ity Ramatoa antsoina hoe Vavy Monique, izay vadin’Ingahy Tsiakaka Prosca efa ho 15 taona tamin’ny fotoana namonoany azy, tao Antanambaon’Ilakaka Ambohibe Vavatenina. Raha ny fanazavan’Ingahy Tsiakaka Prosca 32 taona dia noho izy nanonofy niady taman’olona ka niaro tena tamin’ny fandraisana fitaovana maranitra niadivana tamin’ity nofy, no nahavitany namono ny vadiny toy izao fa tsy fanahy iniany. Ny mpanao fanadiadiana sy ny mpiara-monina taminy kosa anefa tsy nino izany, satria efa nisy 10min izy ireo nandondona teo am-baravaran’izy mivady tokony tamin’ny 03ora maraina ny 27 jolay 2016 io tao anatin’izay mbola niantso vonjy ilay ramatoa, vao nosokafan’ity rangahy ity ny varavarana. Tao anatin’izay anefa efa tsy nihiaka intsony ilay ramatoa vadiny ary efa nihosin-dra sy feno dian’antsy sy famaky ary tsindrona lefona ny tenany. Mbola io fanazavana io hatrany anefa no nentin’Ingahy Tsiakaka Prosca teo anivon’ny fitsarana ady heloka teto Toamasina ny alatsinainy misandratr’andro teo, nefa nandritra ny fitsarana dia tsy nisy fihetseham-po na kely tamin’izao fahafatesam-badiny izao ny ny tenany. Raha nivoaka noho izany ny didim-pitsarana dia tsy nisalasala namoaka didy 20 taona asa an-teivozona am-ponja ho azy ny filohan’ny fitsarana ady heloka be vava teto Toamasina, araka ny fangatahan’ny fampanoavana ho azy…
Malala Didier