
Fanaparitahana horonan-tsary mamoafady natao tamin’ny zaza. Io no vesatra anenjehana ilay vazaha nosamborina tao Mahajanga rehefa nanokafana fanadihadiana sy nokarohina. Manao firaisana amin’ny zaza ilay rangahy 69 taona ary amidiny amin’ny « internet » izany avy eo. Betsaka ny nahita ary nampandre ny fisian’ilay horonan-tsary. Niainga teo ny fanadihadiana, izay tsy mora satria miompana tanteraka amin’ny teknolojia. Nanampy tamin’ny fanadihadian’ny pôlisy misahana ny heloka amin’ny habaka ny fikambanana Amerikana Child Rescue Coalition. Rehefa nandeha ny fikarohana rehetra dia fantatra fa avy ao Mahajanga ny niaingan’ireo vidéo. Hita hatramin’ny trano fonenan’ilay vazaha. Rehefa natao ny fisavàna izany dia mbola sarona tao koa ny fitaovana fampiasany, toy ny solosaina. Tratra tao anatin’izany ny horonan-tsary samihafa izay misy zaza tsy ampy taona. Nosamborina avy hatrany ary nalaina am-bavany. Rehefa nentina teny amin’ny fampanoavana dia nidoboka am-ponja ao amin’ny fonjan’ny Marofoto izy mandra-piandry ny raharaham-pitsaràna azy. Ho mafy ny sazy miandry ity vazaha nahavanon-doza ity. Ankoatra ny fanodikodinana zaza tsy ampy taona dia mbola hiitatra any amin’ny fanaovana firaisana ara-nofo amin’ny zaza tsy ampy taona. Izay vao miditra ny fitadiavam-bola avy amin’ny famarotana horonan-tsary mamoafady izay natao tamin’ny zaza tsy ampy taona hatrany. Manara-maso akaiky ity raharaha ity hatramin’ny fikambanana iraisam-pirenena toy izay voalaza etsy ambony.
D.R