- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversVehivavy hita faty tany Andapa : Olona enina nadoboka am-ponja vonjimaika

Vehivavy hita faty tany Andapa : Olona enina nadoboka am-ponja vonjimaika

Enin-dahy, voarohirohy tamina resaka vono olona nitranga tao Andapa ny faram-paran’ny volana oktobra lasa teo no nosamborin’ny zandary tany Mandritsara ny herinandro lasa teo. Raha ny zava-nitranga : ny 25 oktobra lasa teo dia vehivavy iray no hita faty, nisy namono tao amin’ny kaominina Belampona. Voalaza tamin’izay fa hoe nisy nanala ny taovany. Nohamarin’ny zandary anefa fa tsy marina velively io filazàna io, araka ny taratasy nataon’ny mpitsabo nanao ny fizahana ary natrehin’izy ireo. Na izany aza anefa dia niroso tamin’ny fikarohana izay nahavanon-doza ireo mpitandro filaminana ka niafara tamin’izao fisamborana azy enin-dahy izao. Natolotra ny Fampanoavana izy ireo taorian’ny fakàna am-bavany azy ny alarobia lasa teo ary nadoboka am-ponja avy hatrany miandry ny fotoam-pitsaràna.

Nangonin’i m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici