- Publicité SW45 -
jeudi, décembre 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversVehivavy mpangalatra : Voasambotry ny polisy ireo mpanao hala-botry

Vehivavy mpangalatra : Voasambotry ny polisy ireo mpanao hala-botry

Manodidina ny telopolo taona eo avokoa izy ireo. 32 ny zandriny indrindra ary 38 taona ny zokiny indrindra, araka ny fanomezam-baovao avy amin’ny pôlisim-pirenena. Andiam-behivavy voatery nosamborin’ny pôlisy teny amin’iny faritra Tanjombato iny, ny alarobia lasa teo, noho izy ireo voarohirohy tamin’ny resaka hala-botry. Tao ho ao tokoa dia nanjaka teny amin’iny faritra iny ny resaka halatralatra madinidinika. Lasibatra ny fitaovan-dakozia, ny lamba miahy sy ireo zavatra sendra tafapetraka teny an-tokontany. Efa betsaka ireo fitairanana tonga taty aminay, hoy ny teo anivon’ny pôlisy avy eo anivon’ny kaomisaria foibe eny Atsimondrano, ka nahatonga anay nanokatra fanadihadiana mahakasika ity toe-javatra ity. Nisy avy hatrany ny fanangom-baovao ka fantatra sy voatsikaritra ireo tontakely mpanao izany asa ratsy izany. Ny nahavariana dia saika vehivavy avokoa no voatondro tao anatiny. Tsy sarotra tamin’ireo mpanao fanadihadiana moa no namantatra azy ireo sy ny toerana nisy azy tsirairay avy. Niroso avy hatrany tamin’ny fisamborana ireo pôlisy. Hatreto, vehivavy miisa efatra aloha no tratra ary efa eo am-panaovana famotorana mahakasika azy ireo tompon’andraikitry ny filaminana. Mbola mitohy kosa ny fanadihadiana lalindalina, hamantarana ireo mpifandray tendro amin’izy ireo, araka ny fanazavana azo.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici