- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilÀ lireIvato : Vehivavy nampiasa pasipaoro frantsay hosoka

Ivato : Vehivavy nampiasa pasipaoro frantsay hosoka

Ilay vehivavy nahatrarana pasipaoro frantsay hosoka.

Nokasaina handehanana ho any Addis Abeba ity pasipaoro sandoka ity kanjo tsikaritr’ireo tompon’andraikitra teo anivon’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato. Ny andron’ny 10 septambra lasa teo no voasambotra ity renim-pianakaviana iray, raha nampiasa pasipaoro frantsay hosoka. Ankevitry ny noeritreretin’ilay ramatoa handeha ho azy ny fisavana, kanjo tra-tehaka izy. Tamin’io fotoana io ihany dia nentina nihazo ny biraon’ny pôlisy misahana ny famotorana manokana, na ny « enquete specialisée », izany vehivavy izany ho amin’ny fanadihadiana azy. 

« Niaiky izy nandritra izany fa hosoka tokoa io passeport nampiasainy io », hoy ny fanazavana azo avy amin’ny pôlisy. Fantatra nandritra izany ihany koa fa olona avy any Comores no nanome sy nikarakara izany pasipaoro sandoka izany, izay rain-janany ihany, araka ny loharanom-baovao azo hatrany. « Fony izy mbola tany Comores, ny taona 2022 teo, no nanaovany ity pasipaoro hosoka ity ary mitentina tany amin’ny 6000 euros (manodidina ny 30 tapitrisa ariary teo ho eo) no nanaovana azy.

Efa vita moa ny famotorana an’ity renim-pianakaviana ity, ary efa natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ilay vehivavy. Nanapa-kevitra ny hampiditra am-ponja vonjimaika azy, eny Antanimora ireo mpitsara mpanao famotorana, taorian’ny fihainoana azy teny Anosy. Tsy mijanona hatreo anefa ny fanadihadiana mahakasika ity raharaha hosoka ity fa mbola mitohy, hitadiavana izay tena fositra sy atidoha nikotrika izany fanaovana hosoka goavana izany, raha ny voalaza hatrany. 

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici