Tao amin’ny fiangonana katolika Masindahy Louis De Monfort, no natao veloma farany ny vatana mangatsiakan’i Annie kely na Rajerison Annie Andréa, ilay nisy naka an-keriny ny 23 novambra teo ambony tetezan’ny Verrerie raha handeha hianatra tao amin’ny sekolin-dry Masera Jeanne d’Arc. Izay novonoin’ireo mpaka an-keriny azy tamin’ny fomba feno habibiana tanteraka ary natsipin’izy ireo tao Tanambao Verrerie ny alin’ny alahady 20 desambra teo, izay miala 500m ny tranon’ny ray aman-dreniny. 14 taona izy izao maty izao, ka tonga nanotrona ny fanaovam-beloma farany natao azy ireo mpiara-mianatra aminy sy ireo mpianatry ny sekoly misy azy ary ireo fianakaviana notron’ireo olon-tsotra sy ny fikambanan’ny zanaky Maroantsetra fiaviany. Ranomaso, alahelo, ontsa, ireo no hita tamin’ny tavan’ireo nanatrika ity veloma farany natao an’i Annie kely ity. Tonga hatramin’ny filazana mihitsy hoe “Stop Kidnapping” na “atsaharo ny fakana an-keriny”, izay narantin’ireo fianakaviana tamin’ny fiara nitondra ny vata-mangatsiakan’i Annie sy teo amin’ilay fiara be nitondra ireo fianakaviana, niala tao an-tranon’izy ireo ho ao am-piangonana sy niala tao, nankeny amin’ny fasambahiny Tanambao I. Na niezaka ny naka ny hevitra sy izay teny azon’ireto fianakavian’i Annie ambara aza ny mpanao gazety, dia tsy nilaza na inona na inona kosa fa mbola tena ao anatin’ny fahoriana tanteraka; sy mbola mitaintaina amin’ny fiheritreretana ny manjo an’i Arnaud izay mbola eo am-pelantananan’ireo naka an-keriny azy hatramin’izao. Na ireto fianakaviana ireto aza no tratran’izao olan’ny fakàna an-keriny izao, dia fitaintainan-dava ihany koa ny an’ireo ray aman-dreny maro satria sady tsy mifidy olona alaina an-keriny ireto jiolahy, sady mivadika biby ihany koa raha tsy mahazo ny zavatra ilainy sy takiany, ka mamoa-doza .
Malala Didier