- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilÀ lireHalatra môtô : Very teny Antehiroka, hita tetsy Antohomadinika

Halatra môtô : Very teny Antehiroka, hita tetsy Antohomadinika

Efa nataon’ireo olon-dratsy avokoa izay nanovàna ireo  pitsopitsony tamin’ilay môtô scooter Yamaha RS100 mba tsy hahafahantaran’ny tompony azy intsony. Niova ny lokon’ny vatany (carrenage), novaina torak’izany ihany koa ny môtera, saingy tsy fantatr’ireo mpangalatra dia nisoratra soa aman-tsara tao anaty taratasin’ny tompony ny laharan’ny « carrenage »-ny, izay hany tokana tsy voaovan’ireo olon-dratsy. Marika iray namantarana ilay môtô halatra.

Ny alarobia lasa teo no tsikaritry ny tompony tetsy Antohomadinika, ilay môtô-ny nisy nangalatra, ny voalohan’ny vola aprily lasa teo, tetsy Antehiroka. Roa volana mahery taty aoriana, mbola fantatry ny tompony tsara ilay môtô, eny fa na dia teo aza ny ezak’ireo mpangalatra  hanova tanteraka izany. Ny vatany nivolon-davenona, misy vasoka tany am-boalohany efa voaovan’ireo tsy valahara ho mainty. Nampilaza avy hatrany tamin’ireo mpitandro filaminana teo an-toerana ity tompony ity ary notazomina avy hatrany ilay kodiaran-droa sy ilay olona nitondra azy. Ilay tompony rahateo, manana ny antontaratasy ara-dalàna, niaraka tamin’ny fitoriana napetraka tao amin’ny zana-tobi-paritry ny zandary tao Antehiroka, ny andron’ny nahaverezan’ilay môtô. Tamin’io andron’ny alarobia io ihany moa dia efa tonga nampilaza tao amin’ny zandary ilay tompon’ny môtô. Tamin’izay ihany koa ny natao ny fampitahana rehetra, izay nilazan’ireo mpanao fanadihadiana, fa tena ilay môtô very tokoa io. Mbola ao anatin’ny famotorana tanteraka mahakasika ity tranga ity moa ireo tompon’ny fanadihadiana amin’izao, izay hikarohana ireo mpangalatra.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici